Actualités

Hopitaly Befelatanana Mifangarika ny fotodrafitrasa


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Malaza dia malaza ankehitriny ny fananganana hopitaly vaovao manara-penitra eto amintsika. Ireo mikatona noho ny tsy fisian’ny mpitsabo sy tsy fahampian’ny fanafody ary noho ny tsy fisian’ny fikarakarana ny toerana misy anefa etsy an-kilan’izay dia miseho lany ihany koa.

 Saika isan’andro vaky no hitateran’ireo solontenam-paritra izany eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka sy izay taterin’ireo olom-boatendry CST sy CT eny Anosikely sy Tsimbazaza. Iray amin’ireo toerana tsy misy mpikarakara ka hitan’ireo manana marary mitsabo tena ao aminy ny fahasimbana tanteraka mahazo ny trano lehibe iray etsy amin’ny hopitaly Joseph Raseta etsy Befelatanana. Trano mavo no niantsoana azy ity fahiny, izay fikarakarana ireo mararin’ny areti-mifindra sy ny fitsaboana mahakasika ny orona sy sofina ary tenda (ORL). Miavaka miohatra ireo efa novana hanara-penitra tamin’ny andron’ny filoha Ravolomanana izy ity satria tavela teo noho ny fisian’ny tolona ho an’ny fanovana eto amintsika. Noho izay fanovana tsy mila ny vitan’ny teo aloha izay dia azo inoana fa tsy voakitika intsony izy io raha tsy tapitra tafatsangana ireo manara-penitra ety ivelany.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT