Actualités

Hopitaly Be Toamasina Gejain´ny fanjakana ny vola tokony hiasany ?


  • Alarobia 04 Janoary 2012

Zava-nisy nefa tsy noresahina nanomboka ny volana mey 2011 hatramin´izao taona vaovao izao ny olana ara-bola mahazo ny hopitaly be Toamasina.

 Vokatry ny nanagejan´ny fanjakana ny vola tokony hiasany, mananika ny 70 tapitrisa ariary, araka ny resaka mandeha, izy io. Tafiditra amin´ilay hoe “FANOME” na ireo vola aloan´ny marary miditra hopitaly amin´ireo fandoavam-bola tsy maintsy ataony io vola voageja io. Raha ny lalàna amin´ny fitantanana ilay vola dia miverina amin´ny fikarakarana ny hopitaly be ny 60%, ary ny 40% kosa andoavana ny karaman´ireo mpiasa tsy raikitra na ECD karamainy. Raha natao ny fanadihadiana dia nanomboka ny 17 mey 2011 no namoaka naoty nanageja io vola io ny teo anivon´ny Trésor Toamasina eo ambany fanaraha-mason´ny ministeran´ny vola sy ny fitantanam-bolam-panjakana. Resaka tsy fitiavana olona iray eo anivon´ny fitantanana ny hopitaly ben´i Toamasina koa no antony iray nanagejana ny vola.

Raha nohalalinina hatrany ny fanadihadiana natao momba ity olana ity, dia vola niditra teo anivon´ny hopitaly ny taona 2010 ity nogejaina ity, vola izay tokony hampiasaina ny taona 2011. Efa vaovao ity ny taona, tsy fantatra na mbola hogejaina koa ny vola niditra nandritra ny taona 2011 izay tokony hampiasain’ny hopitaly ben´i Toamasina amin’ity taona 2012 ity. Na teo aza anefa izany dia niezaka nitady famatsiam-bola hafa ny mpitantana, ka voaloa tsy tapaka ny karaman´ireo mpiasa ECD, nandeha ny asa aman-draharaha eo anivon’ny hopitaly noho ny ezaky ny mpiasa. Ny alahady teo aza mbola afaka nanome sakafo ny marary rehetra sy ny mpiasa niandry raharaha ny hopitaly. Ny eo amin´ny fampitaovana samy hafa kosa dia misy ny fiaraha-miasa eo amin´ny hopitaly sy ny SALAMA, ka tsy nisy olana ny mikasika izany hatramin´izao.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT