Actualités

Hopitaly ao La Réunion Vokatry ny vono no tena nahazo ny kly Charles


  • Zoma 23 Desambra 2011

Araka ny loharanom-baovao azo antoka dia noho ny vono aloha hatreto no fantatra fa antony nahavoa ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles.

 Nisy nana marobe mihitsy ny taovany. Ny voa, ny fo ary ny tsinainy dia samy niantraikan’io fahavoazana io daholo. Efa nandefa tatitra amin'ny FAT mikasika io zavatra hita tao anatin'ny lietna-kolonely Charles io ireo mpitsabo ao amin'ny hopitaly nitsaboana azy. Hatramin'ny omaly dia tsy mbola mahatsiaro tena ity manamboninahitra ity. Araka ny voalazan'ireo fianakaviany dia tsy nampoizin'izy ireo mihitsy ity zava-nahazo ny havany ity. Nilaza anefa izy ireo fa mitsabo aloha no laharam-pahamehana ho azy ireo. Mbola maizina tanteraka, araka izany, ny lalan-kivoahan'ny kly Charles amin'ny tsy fahasalamana. Nisy tamin'ireo mpiara-mitolona taminy tao amin'ny CAPSAT kosa tamin'ny 8 martsa 2009 no nahazo galona “général de division” raha kolonely tamin'izany fotoana.

Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT