Velon-taraina ny fianakaviana iray monina etsy Ankadimbahoaka noho ny endri-panararataona nihatra tamin’izy ireo raha nitondra ny havany hiteraka tamina hopitalim-panjakana iray eto an-drenivohitra ny 26 desambra 2013 teo.
Renim-pianakaviana iray, 30 taona, io nentina namonjy hopitaly tamin’io andro io fa saro-piterahana. Voalaza mantsy fa nitosaka be ny rany satria somary lehibe ilay zaza. Noho izany dia nambara fa tsy maintsy handalo fandidiana ny fampiterahana azy, ary vola enina hetsy Ariary no nasaina naloan’ny fianakaviana, ankoatra ny paosin-dra roa tsy maintsy novidiana sy ny saram-pitiliana nasaina natao ary ireo fanafody maro tsy maintsy novidiana ihany koa. Noho ny fahaverezan-dra be loatra anefa dia tsy tafavoaka tao amin’ny efitrano fandidiana akory dia tsy tana ny ain’ilay ramatoa raha avotra kosa ilay menavava, hoy ny fianakaviana. Andriamanitra no mandahatra ny fiainan’ny zanak’olombelona. Fa anisan’ny tena nampitaraina ireto fianakaviana ireto, ny mbola nampandoavana azy hofan-trano roa andro mitentina dimy alina sy iray hetsy Ariary mahery sy ny tsy nanomezana azy ireo ny fanafody tsy nampiasaina, izay nambaran’izy ireo fa betsaka sady lafo vidy. Niantso ny mpitondra mahefa mba hanara-maso ny zava-misy amin’ireny hopitalim-panjakana ireny ity fianakaviana ity, fa “mijaly ny vahoaka madinika efa mivaro-pananana mba hanavotana aina nefa dia fahafatesana ihany no hita noho ny fitiavam-bolan’ny sasany”.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.