Tena miavaka tokoa ny andiany faha-15 amin’ny fampisehoana iraisam-pirenena momba ny trano fonenana izay nanomboka ny alakamisy 14 ary hifarana rahampitso alahady 17 novambra 2013 eny amin’ny tany malalaka fandraisana fampirantiana Forello Expo Tanjombato.
Voaporofo sy hita maso eny an-toerana mantsy ny fivondronan’ireo sehatra mpanorina trano misy eto Madagasikara. Maro dia maro izy ireo no mandray anjara amin’izany ary mihoatra lavitra noho ny tamin’ireo andiany rehetra teo aloha. Tsy dia mahagaga loatra moa izany raha ny firoborobon’ny fananganana trano amin’ny fomba maoderina sy mijoajoala hita eto an-drenivohitra sy ny manodidina ankehitriny no resahana na dia tsy ho diso anjara koa aza ny mari-trano tena malagasy tranainy. Azo ambara ho tsenaben’ny fifanakalozana ho fampahafantarana ireo zava-baovao mendrika ny haroso ireo mpanjifa miaraka amin’ireo safidy marobe mifanaraka amin’ny filan’ny isan-tokantrano. Mbola mampiavaka ity hetsika ity ihany koa ny andiany voalohany amin’ny hetsika ara-kolontsaina eto amin’ny ranomasina Indiana hotanterahana isaky ny roa taona. Homena lanja amin’izay ny mpiantsehatra eo amin’ny sary sokitra sy ny sary hosodoko ato anatin’ny faritry ny ranomasina Indiana. Hampirantiana mandritra izao hetsika izao ihany koa ary ampahafantarina ireo mpitsidika ny fitontongan’ireo vakoka fanorenan-trano eto Antananarivo sy ny Faritra Analamanga.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.