Hetsika eny amin’ny Magro

> Ho fotoan-dehibe anio sabotsy


  • Sabotsy 23 Novambra 2013


Amin’ny maha zava-dehibe ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany izay notanterahana ny zoma 25 oktobra tamin’ity taona 2013 ity dia naato kely ny hetsiky ny olom-pirenena manaraka ny ara-dalàna teny amin’ny Magro Behoririka omaly zoma 22 novambra 2013. Izany fanapahan-kevitra izany no noraisina dia mba ho fanajana io fotoan-dehibe amin’ny ho tohin’ny fiainam-pirenena io izay nahafahan’ny tsirairay nanaraka am-pitoniana sy am-pilaminana tanteraka ihany koa ny fizotry ny lanonana teny amin’ny foiben’ny Fitsarana manokana momba ny Fifidianana eny Ambohidahy ary nampitaina nivantana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana. Araka ny fantatra kosa dia mitohy toy ny mahazatra ny fihaonan’ireo mpitolona legalista anio sabotsy 23 novambra 2013. Fotoan-dehibe rahateo no ho hita eny an-toerana satria ankoatra ny akon’ny voka-pifidianana ofisialy izay nivoaka omaly ka nahafahan’ny kandidan’ny Avana tohanan’ny ankolafy Ravalomanana dia ny dokotera Robinson Jean Louis miatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 20 desambra 2013 dia hiditra mivantana amin’ny antso an-tariby ihany koa ny filoha Ravalomanana Marc. Dia eny amin’ny kianja mahita azy, araka ilay fomba fiteny.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT