Actualités

Hetsika akanjo mainty Efa mandohalika i Gasikara


  • Alakamisy 01 Martsa 2012

Efa tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny raharaham-pirenena, rendrika sy mandohalika i Madagasikara, horohoro sy habibiana no manjaka noho ny tsy fandriampahalemana ary tsy eran’ny ain’ny besinimaro intsony ny fahoriana vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana, araka ny fahitan’ny vondron’olon-tsotra azy.

 Naneho amin’ny endrika hita maso izay fijalian’ny valalabemandry izay izy ireo omaly 29 febroary amin’ny alalan’ny fisalorana akanjo mainty fanehoana fisaonana. Nampitondraina ny anarana “ mitomania ny taniko” ny hetsika, izay nanentanany sy anentanany ny isam-batan’olona mahatsiaro ataon’ny mpanao politika takalonaina. “Fitakiana ny famerenana ny zontsika, fanehoana alahelo ary hanehoana hafatra fa mijaly i Madagasikara” no ampahan’ny trakta naparitak’ity vondrona ity hitaomana ny olona handray andraikitra. Efa nitety ireo masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara ka nanatitra antontantaratasy fampahafantarana ny zava-misy iainan’ny mponina miaraka amin’ny fitarainana ihany koa ry zareo.

Haparitaka amin’ny sokajin’olona samihafa, ny mpanao politika ary koa ny tomponandraikitra isan-tokony mba hahatonga saina azy ireo io antontantaratasy io afa tsy ny mpitondra ihany. Ho azy ireo mantsy dia antony mahatonga izao fahasahiranana lalina izao ny Fat, voalohany amin’izany i Andry Rajoelina. Dingana manaraka indray izay hatomboka amin’ny herinandro ambony ny fangatahana fahazoam-pitenenena amin’ny TVM sy RNM ary ny sehatra rehetra azo anehoan-kevitra. Hetsika fanairana tsy misy ambadika politika izy ity fa tsangan-kevitra no arovana araka ny fanazavana ary tsy hisy ny fitarihana ny olona hidina an-dalambe.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT