Hery Rajaonarimampianina

> Nikoropaka niverina ?


  • Sabotsy 28 Desambra 2013

Hiverina alohan’ny fotoana ! Nahoraka tamin’ny tambazotran-tserasera samihafa teto an-drenivohitra omaly hariva fa nikoropaka niverina an-tanindrazana ny kandida Hery Rajaonarimampianina raha nisintaka kely tany Frantsa nanao fetin’ny Noely niaraka tamin’ny vady aman-janany sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy.

 

Dia manokana moa ny azy ny tany, raha niala teto ny alin’ny alatsinainy 23 desambra 2013, ary raha ny re dia mbola saika hitsena ny taona vaovao tany, ka ny 03 janoary 2014 izy vao hitodi-doha an-tanindrazana nefa izao niverina alohan’ny fotoana izao izany. Ny loharanom-baovao hafa no mitatitra fa nisy tompon’andraikitra ambony frantsay tokony nihaonany tamin’izao diany tany Frantsay izao, na tsy fihaonana ofisialy aza, saingy tsy raikitra izany. Eto an-toerana anefa mihazakazaka ny toe-draharaha taorian’ny nanafoanan’ny CES na Fitsarana manokana momba ny fifidianana ilay didim-panjakana manome alalana ireo lehiben’ny andrim-panjakana sy mpitondra ambony hanatrika fampielezan-kevitra. Mpahay lalàna maro mantsy ankehitriny no milaza fa mety hitarika fanafoanana fifidianana na fanilihana kandida io fanapahana noraisin’ny CES io, ka izay no mampikoropaka ny an’i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT