Miezaka ny manandratra ny tenany ho olom-baovao i Hery Rajaonarimampianina isaky ny mikabary kanefa dia niray petsapetsa tanteraka tamin’ny fanakorontanana sy fandrombaham-pahefana teto tamin’ny 2009 ireny.
Laharana faha-16 ao amin’ilay lisitr’ireo 109 mianadahy navoakan’ny Vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, tamin’ny martsa 2010, izany hoe voasazin’ny sehatra iraisam-pirenena satria nanongam-panjakana ity kandidan’ny Hery Vaovao ity. Fantatr’izao tontolo izao izany. Midika izay fa nandray anjara tamin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina izy. Tantara nisy io ka tsy azo kosehana na odiana fanina. Aza ampiesonina amin’ny hoe mila olom-baovao ny firenena ny vahoaka. Anisan’ireo olona voatonontonona tamin’ny fakana ny entan’ny orinasa Tiko tany Toamasina tamin’ny 2009 ihany koa i Hery Rajaonarimampianina, tahaka ireo mpanao politika maro izay manohana azy sy miara-dia amin’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana. Izy koa no nanankinana ilay “Cellule opérationnelle” namoaka ny vary, menaka tao. Hatreto dia manjavozavo tsy fantatra ny nandefasana ireny vary an’aliny taonina noloarana tao Toamasina ireny.
Moa va nanaovana ilay vary mora namidy teny an-tsena ? Ary nankaiza ny vola azo avy amin’ny famarotana azy ? Niditra any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ve sa lasa any am-paosin’ny sasany ? Mety samy manana ny fomba fijeriny ny zava-misy ny tsirairay avy fa ny tsy azo lavina dia izao tontolo izao no miray feo fa fanonganam-panjakana no natao teto tamin’ny 2009. Izay no nahatonga ny fanoratana ilay lisitra misy anarana mpanao politika, mpandraharaha, olon-tsotra, miaramila miisa 109 nosazian’ny sehatra iraisam-pirenena, tafiditra ao anatin’izany Atoa Hery Rajaonarimampianina. Efa raiki-tampisaka aminy iny fanonganam-panjakana nialohavana fandrobana sy halatra ary vono olona iny ka mazava ho azy fa tsy maintsy misy akony ratsy ho azy raha sanatriavian’ny vava ka izy no filoham-pirenena eo. Tsy maintsy miahiahy azy foana ny olona ary tsy matoky azy tanteraka, noho ny zavatra nataony sy ny mbola mety ho vitany, noho ny hambom-po diso toerana, ny fankahalana ary ny fitiavam-pahefana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.