Actualités

Herisetra tamin’ny 26 jona Mampitombo ny ahiahin’ny vahiny amin’i Madagasikara


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Nampalaza ratsy an’i Madagasikara maneran-tany ny fisian’ny fipoahana nahafatesana sy naharatrana olona teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona lasa teo.

 

 Vetivety dia niparitaka ny vaovao ary nosokajian’ny sehatra iraisam-pirenena fa asa fampihorohoroana avy hatrany ilay izy. Miha mitombo ny tsy fahatokisan’ny any ivelany ny eto Madagasikara, maro no manahy fa mety tsy ho tanteraka ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra noho izao zava-mitranga izao. Etsy an-kilan’izay, manomboka velon’ahiahy ny amin’ny hihenan’ireo mpizahatany ho avy eto Madagasikara ihany koa ireo mpandraharaha amin’ity sehatra ity.

Fanafoanana ny fivorian’ny Frankôfônia

Fatiantoka am-polony miliara

Vahiny miisa 4.000 avy amina firenena miisa 90 no andrasana amin’ilay fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia amin’ny volana novambra, ahitana filoham-panjakana am-polony sy mpanao gazety maherin’ny 300. Manodidina ny 20 miliara Ar ny vola natonton’ny fitondram-panjakana Malagasy hikarakarana ity fihaonambe ity  ka anisan’ireny ny fanamboaran-dalana Tsarasaotra-Ivato,  ny fanamboarana sy fanatsarana ny trano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato ankoatra ny “village francophone” izay vao aorina etsy Andohatapenaka. Olona an’arivony maro no hahazo asa amin’izany raha araka ny fantatra ary efitrano fandraisam-bahiny 3.000 isa no tsy maintsy homanina, izay tsy voatery ho avo lenta fa tsy maintsy manaraka  ny fenitra iraisam-pirenena kosa anefa. Tena fatiantoka iray lavaka ho an’ny Firenena Malagasy ny tsy fahatanterahan’ity fivoriambe ity satria ny vola be lany, tsy tonga anefa ny vahiny izay noheverina fa hanjifa sy handany vola eto mandritra ny herinandro. Efa niaraha-nahita ihany fa haramin’izao dia lasa vesatra ho an’ny fanjakana Malagasy satria tsy mampidi-bola mihitsy 7 taona taty aorian’ny nahavitany ilay hotely lehibe kintana 5 eny Ivato izay saika nandraisana ny fihaonana an-tampon’ny vondrona Afrikanina tamin’ny fitondrana Ravalomanana.


Agence de Voyage, Tour Operator

Manamarina fa niha vitsy ny mpizahatany tonga

Mbola tena vitsy ireo mpizahatany vahiny tonga eto amintsika amin’izao faran’ny volana jona izao raha efa nahavelom-bolo tamin’ny taon-dasa raha araka ny fanadihadiana natao tamina « agence de voayge » iray etsy Antsahavola. Taorian’iny zava-nitranga tetsy Mahamasina iny izay nipoahana baomba ka nahafatesana olona telo no heverin’izy ireo fa antony mahatonga izany na dia efa vita fanadinana avokoa aza ny mpianatra any am-pitandranomasina, toy  ny ao Frantsa ka tokony hiala sasatra eto amintsika izy ireo. Fandriampahalemana mantsy raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray tao amin’ity  « agence de voayge » ity no tena katsahin’ireo vahiny tonga eto amintsika ankoatra ny fankafizana ny zavaboary sy ny natiora tsy fahita any amin’izy ireo. Tsy misy ihany koa ireo namandrika tapakilana fiaramanidina nilaza ho avy mandritra ny fandraisana ny Frankonia eto amintsika, hoy hatrany izy ireo. Toraka izany koa ny olana sedrain’ireo « Tour opérateur » izay mandray an-tanana manokana ny fivahinianan’ireo vahiny eto amintsika toy ny hotely hipetrahany, ny fiara hitondra azy, ny sakafony…Ahiana hanafoana ny famandrihan-toerana efa nataony amin’ny volana oktobra sy novambra mihitsy izy ireny raha araka ny fanazavan’ny Tour opérateur iray etsy Antanimena.


Pati sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT