Actualités

Hentitra ny SECES Mitohy ny grevy, miala ny minisitry ny vola !


  • Alatsinainy 27 Febroary 2012

Mijoro amin’ny maha vato nasondrotry ny tany azy ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite mivondrona eo anivon’ny Seces.

 Namoaka fehin-kevitra hentitra sy mafonja izy ireo taorian’ny kongresy nasionalin’izy ireo ny 22 sy 23 febroary lasa teo, teny Ankatso. Nambaran’izy ireo ary fa hiverina fampianarana eny amin’ny oniversite 6 manerana an’i Madagasikara, rehefa mahazo valiny mahafa-po amin’ny fampiharana ireo didim-pitondrana 3 notakiana hatramin’izay izy ireo. Mbola takian’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka ihany koa ny fialan’ny minisitry vola sy ny tetibola, Hery Rajaonarimampianina, ary miandrandra mafy ny fanamafisana ny fiaraha-mientan’ny Seces amin’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony ( grands corps de l’etat) ihany koa ireto mpampianatra mpikaroka ireto. Marihana mazava tsara fa efa voasonia tamin’ny volana oktobra 2009 ireo didim-pitondrana telo ireo, izany hoe nandritra ny fitondrana FAT, saingy tsy nampiharina hatramin’izay, ka izay no nahatonga ny fitakiana sy fitokonana lavareny tato anatin’ny telo taona. Nanakiana mafy ny tsy fisian’ny politikam-pirenena momba ny fampianarana ihany koa ny Seces, ary nilaza fa tsy mirindra mihitsy amin’ny filan’ny tontolon’ny asa sy ny praogramam-pampianarana eo Madagasikara. Mahita sy mahatsapa ihany koa ny sendikan’ny mpampianatra mikaroka fa toa samy te hamela ny dian-tanany fotsiny ireo minisitra nifandimby fa tsy nisy mihitsy ny fitohizan’ny asa, ary tena marefo ny fanajana ny soatoavin’ny asany amin’ireo mpiasan’ny fampianarana sy fanabeazana sasany noho ny fahasahiranana ara-bola sy ara-pivelomana.Vao miha nahazo vahana ny fandikan-dalàna eo amintsika, hoy ihany ny Seces ary ambaran’izy ireo fa ilaina maika ny fametrahana  ny tena fanjakana tan-dalàna, nivoaka avy amin’ny lasitry ny fampiharana ny demokrasia. Mitaky ny hanatanterahana karazana fihaonambem-pirenena ny Seces mba hikarohana ny vahaolana tena mahomby sy mharitra, ka hamaranana ny krizy sy ny tetezamita, ka mandroso hevitra. Anisan’ny tsy maintsy hodinihana ao ny amin’ny famotsoran-keloka ho an’ny rehetra na ho ana olona iray manokana, ny endrika sy ny ho fitantanana ny tetezamita. Nanipika mazava ihany koa ireto mpampianatra mpikaroka avy eny amin’ny oniversite 6 manerana ny nosy ireto fa tsy maintsy misy aloha ny lalàmpanorenana iray vaovao mihitsy, mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena. Henjana dia henjana raha ny fahitana ity fanambaran’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka avy amin’ny oniversite ity, ary azo ambara fa tehamaina sy fitsipahana ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina. Tsara homarihana fa ny profesora Simon Richard Rakotondrainibe izao no filoha nasionalin’ny Seces.


ENCADRE

Fitakiana

Raha hiverenana kely moa dia ireto avy ireo didim-pitondrana telo, takian’ny Seces ho ekena sy hampiharina: voalohany ny didim-pitondrana laharana 2009-1214 momabany tambin-karaman’ny  mpampianatra mpikaroka, sy ny mpikaroka ao amin’ny oniversite, faharoa ny didim-pitondrana laharana 2009-1215 momba ny tambin-karama amin’ny fikarohana sy fanadihadiana ataon’ny mpampianatra mpikaroka, ary fahatelo farany dia ny didim-pitondrana laharana 2009-1216, momba ny fampiharana ny lalàna 2003-0008 tamin’ny 5 septambra 2003, izay mameno ny fepetra sasantsasany tao amin’ilay lalàna laharana 095-023 tamin’’ny  6 septembra 1995, miresaka indrindra ny sata mifehy ny mpampianatra sy ny mpikaroka eny amin’ny oniversite

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT