Hentitra ny fanambarana navoakan’ny SMM na Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara omaly maraina, manoloana ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny lehibe tao amin’ny polisim-pirenena, izay nambaran’izy ireo fa miendrika fandrahonana.
Mifantoka amin’ny hevi-dehibe telo ity fanambarana vaovao ity. Voalohany dia mitaky ny hanaovan’ny Inspecteur Général de la Police Rahaingo Jacky fialan-tsiny ampahibemaso ny SMM noho ireo teny navoakany, izay vao miverina indray ny fifampidinihana, faharoa dia mitaky hatrany ny fialan’ny minisitry ny polisy ny SMM ary fahatelo farany dia mitaky ny hanolorana tsy misy hatak’andro ny fitsarana, ireo polisy namono ka nahafaty ilay mpitsara tany Toliara izy ireo. Nilaza ny tsy hilefitra manoloana ny fanevatevana ny fianakaviamben’ny mpitsara ny SMM ary tena ho hentitra amin’ny fitakiany. Raha nivahiny tao amina onjampeo tsy miankina iray teto an-drenivohitra omaly maraina ny solontenan’ny SMM dia nilaza fa diso fomba fijery ireo lehibe ao amin’ny polisim-pirenena, ka tokony hanitsy izany.
Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa tsy hoe miady amin’ny polisy tsy akory ny mpitsara fa milaza ny marina. Tsy azo lavina fa nisy fakàna olona an-keriny sy fikasihan-tanana nitarika fahafatesana tany Toliara io zoma 9 desambra io, hoy ihany ireto mpitsara ireto, ary notsindrian’izy ireo mafy fa tsy misy azo hanamarinana ny famonoan’olona mihitsy. Ary raha toa ka nisy ny didy tsy nahafaly ireo polisy dia afaka nampiakatra tamin’ny rafi-pitsarana ambony izy ireo. Nampahatsiahy ireto solontenan’ny SMM ireto fa 15 andro lasa izay, tao Antsirabe dia efa nisy polisy iray vaheloky ny fitsarana nanao vavabe tamin’ny mpitsara nitarika ny fotoana. Nambaran’izy ireo ihany koa fa polisy mirongo fitaovam-piadiana ary nanao saron-tava no nanodidina ny lapan’ny fitsarana tao Antsirabe tamin’io fotoana io, fihetsika izay azo adika avy hatrany fa fanindriana bokotra ireo mpitsara ireo mba tsy hanameloka ilay polisy.
Somary nilamina ihany io raharaha tao Antsirabe io, fa dia iny ny tany Toliara iny no nipoaka sy nisehoan’ny fisetrasetran’ny polisy tamin’ny mpitsara, araka ny fanazavana ihany. Mampatsiahy ry zareo mpitsara fa tany tan-dalàna ny eto Madagasikara, ary misy ny lalàna tsy maintsy arahana. Ny fanafihana lapan’ny fitsarana, tahaka ny nitranga tany Toliara, dia midika ihany koa fanosihosena ny fahefan’ny filoham-pirenena, izay miantoka ny fahaleovantenan’ny fitsarana, araka ny ambaran’ny lalàmpanorenana, hoy ihany ireto mpitsara ireto. Tena tandindomin-doza ny fahefana mpitsara sy ny tany tan-dalàna eto amintsika, ka izany no mahatonga anay tsy afaka ny hilefitra intsony, hoy ihany ry zareo avy ao amin’ny SMM. Tsy mafana intsony fa efa tena mangotraka ity fifanolanan’ny mpitsara sy ny polisy ity, ary atahorana hivadika zavatra hafa raha tsy manapa-kevitra haingana ny mpitondra mahefa.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.