Betsaka no sorena, maro ireo tezitra, tsy vitsy kosa ireo faly sy velom-bolo. Izay no hamehezana ny hetsika tsy “an-kitsitsy” ataon’ireo mpitandro ny filaminana ao Toamasina ankehitriny, amin’ny fisavana tsy misy ankanavaka ireo mpitondra sy mpitaingina moto.
Nomarihan’ireo mpitandro ny filaminana fa ny moto izao no fitaovana fitondran’ireo jiolahy manao ny asa ratsiny mba hialana ny fanenjehana sy ahafahana misitrika elakela-trano izay manasarotra ny fisamborana. Miparitaka eran’ny tanànan’i Toamasina mihitsy ireo mpitandro ny filaminana manao izany fisavana izany, ka na arabe, na lalam-pasika, na ireo elakela-trano samy hafa dia ahitana azy ireo manao fisavana avokoa. Ireo tsy mitondra aroloha, ireo tsy manana taratasy ara-dalàna ary ireo mety hahatrarana fitaovam-piadiana na antsy fotsiny aza, dia tazomina avy hatrany hanaovana fanadihadiana. Mandritra ity volana janoary ity no hanaovana ny hetsika goavana aloha, aorian’izay dia mitohy ny fampianarana ireo mpitondra moto mba hanaja ny lalàna sy tsy ho mpiray tendro amin’ny jiolahy, nefa hitohy hatrany ny fisamborana sy ny fisavana ho famerenana ny filaminana ao Toamasina. Ankoatra izay, dia polisy telo no nisy nidaroka ny 31 desambra lasa iny nataon’ireo olona tsy nanaiky nosakanana sy nosavaina. Nilaza ny lehiben’ny polisy ao Toamasina fa tsy handefitra amin’ireo mahavita izany izy ireo, fa tsy maintsy henjehina araka ny lalàna izay mahavanon-doza. Araka ny angom-baovao dia tena naratra mafy avokoa izy ireo. Mangataka ireo nanatri-maso izany ny polisy mba hanome vaovao momba ireo olona na andian’olona nandratra polisy manao ny asany izao ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.