Harinaivo Rasamoelina

> Fomba maro no azo hanatanterahana fampitahana ny voka-pifidianana


  • Sabotsy 04 Janoary 2014


Ankoatra ny fifanatrehana mivantana miaraka amin’ny fitondrana ireo PV isanisany ataon’ireo kandidà mpifanandrina sy ireo mpomba azy, hoy Atoa Harinaivo Rasamoelina filohan’ny antoko DHD-Madagasikara, dia fomba maro no azo hanatanterahana ny fampitahana ny voka-pifidianana iray na ny «confrontation des résultats». Ao, ohatra, ny fametahana ireo vokatra navoakan’ny CENI-T sy ny PV an’ny kandidà rehetra, atao afisy manerana ny Fokontany nisy birao fandatsaham-bato mifanila eo ireo dia hitan’ny mpifidy ny tena vato narotsany. Fomba faharoa ny famakiana amin’ny radio sy televiziona nasionaly an’ireo vokatra roa voalaza ireo na firy volana na firy volana faharetan’izany hahenoan’ny mpifidy ny tena marina tamin’ny vato narotsany. Fomba fahatelo ny fisafidianana gazety iray hamoahana ireo fampitahana vokatra roa voalaza ireo ihany. Ary mbola fomba iray farany azo atao koa ny famoahana amin’ny «Internet» an’ireo vokatra roa samihafa ireo. Toy ny bao tsy mivily ireo fomba ireo, hoy ity mpanao politika ity, ka rehefa mahitsy dia mahitsy.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT