Hanta Ramakavelo

> Fahalalana manita-tsaina no ilaina


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013

Hanova ny toe-tsaina no tanjona tamin’ny resaka nifanaovana tamin-dramatoa Hanta Ramakavelo. Betsaka no manampahaizana fa sarotra tadiavina ireo mahay ny asa.

Fampitana fahalalana ny fampianarana eto amintsika hatramin’izay fa tsy misy fanabeazana. Izay mahatsapa ny tsy fisian’ny fanabeazana ny maha olona izay no miezaka manao sy manabe ny manodidina azy, hoy izy. Raha ny fanabeazana kosa niankin-doha amin’ny hafa hatrany izany ka tsy mampandroso. Izay zavatra mampiombona no tokony haseho fa ajanona izay mampiady na miteraka fanavahana. Araka ny nambaran-dRtoa Ramakavelo Hanta ihany dia ny «méthodes actives» no tsara ampiharina mba ahafahana mahatsapa sy ahafantarana izay antony ilana ny fanabeazana. «Ilay olona beazina ihany no manabe ny tenany fa ny mpanabe kosa dia manao arofanina sy mitarika ihany». Ny antsika dia ny fanaratsiana hatrany no mandeha mialoha. Noho ny fampiharana ny «méthodes actives» no ahafahana mahatsapa ny ezaka mbola tokony hatao, ny tsy mety tokony hialana, ahafahana mamolavola ny fahaiza-mikaroka, indrindra ny fitiava-mikaroka. Tsy sesefana fahalalana be fahatany ny mpianatra, fa mila beazina ihany koa izy hitady izay fahalalana mety sy manitatra ny saina amam-panahy ho tia zavatra tsara sy zava-baovao ahafahana mandroso

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT