Actualités

Halatra omby tao Androtsy tamin’ny 2014 Mbola ifandrirarirana eny amin’ny fitsarana


  • Zoma 08 Jolay 2016

Araka ny fitantaran’Andriamatoa Soafiavy, mpiaro ny zon’olombelona ao amin’ny Antoko politika MONIMA any Androtsy faritr’i Ihosy dia nisy fanafihan-dahalo mitam-piadiana izay nahaverezana omby miisa 58 tamina fianakaviana maromaro tany an-toerana tamin’ny taona 2014.

Araka ny fanazavany hatrany, na dia nisy aza ny fanarahan-dia nataon’ireo mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona tany an-toerana tamin’io fotoana io dia tsy nahitam-bokany. Taty amin’ny taona 2015, hoy izy rehefa hitan’ireo dahalo fa nangatsiatsiaka ny fikarohana azy ireo dia nahavita nanao bokin’omby vaovao ho an’ireto omby halatra ireto mihitsy ireo dahalo ireo ary dia namarotra ireo biby tao Ihosy. Ny iray tamin’ireo omby ireo anefa araka ny fitantarany dia efa voataizan’ny zanak’ity tompon’omby ity hatry ny ela ka mahalala ny baikony. Nifanena tao an-tsena tamin’ireo tompon’omby ary ireto omby nangalarina ka avy hatrany dia nibaiko ilay omby iray voalaza teo ny zanak’ity rangahy ity ary dia voaporofon’izy ireo fa azy ireo omby. Rehefa nosamborina ilay noheverina ho nangalatra ireo omby dia nalefa tany amin’ny tribonaly rehefa vita ny famotorana nataon’ny polisy azy. Hatramin’izao anefa dia nampitondra fitarainana tamin’ity Raiamandreny ity halefa aty amin’ny fitsarana heverin’izy ireo fa foibe eto Antananarivo ireo niharam-boina satria mbola manjavozavo amin’izy ireo ny tohin’ny raharaha.

J.M

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT