Halatra mahatsikaiky

> Vola no notadiavina, Baiboly no azo


  • Alakamisy 23 Janoary 2014


Izany ka fahasahiana ! Ny alatsinainy sahabo ho tany amin’ny 7ora sy sasany hariva, dia nisy tokantrano iray notafihin’ny andian-jiolahy miisa-8 tao Tolagnaro tampon-tanàna. Tsy misaron-tava ireo jiolahy, izay manao be fiavy niditra ny trano avy hatrany miaraka amin’ny sabatra sy ny langilangy. Raim-pianakaviana iray no saika notapahin’izy ireo tenda raha tsy namela ilay poketra tao an-trano hoentina. Nisy diana sabatra ary naratra ny tendan’ilay raim-pianakaviana. Vao azon’ireto olon-dratsy ilay poketra dia nitsoaka matanjaka avy hatrany izy ireo, nalady vory rahateo ny mponina. Ny nahatsikaiky anefa tsy vola no tao anatin’ilay poketra fa baiboly. Mba hiova fo amin’izay angamba ireto jiolahy tratran’ny tsy nampoizina ireto.

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT