Hala-jaza

> Mihorohoro Antsiranana, nikatona ny sekoly sasany


  • Alakamisy 09 Janoary 2014

Miaina anaty tebiteby ny mponina ao Antsiranana hatramin’ny fiandohan’ny herinandro no ho mankaty noho ny resaka hala-jaza.

Mandeha be io resaka io taorian’ny nahaverezan’ny iray tamina kambana mirahavavy talohan’ny fifidianana teo. Ny vatana mangatsiakan’io zaza very io no sisa hita tany anaty ala ka vao mainka nihamafy ny resaka hala-jaza. Nisy sekoly nanapa-kevitra ny hanakatom-baravarana mihitsy aloha. Tao ireo nisokatra ihany saingy nanamafy ny fepetra fiarovana ny ankizy, indrindra ireo mbola madinika, ka tsy mamela azy ireo miala ny faritry ny sekoly raha tsy ny ray aman-dreny niteraka mihitsy no tonga maka azy ireo. Araka ny fitantaran’ny mponina any an-toerana dia vehivavy mitondra fiara 4x4 ity mpangala-jaza ity. Omaly dia nitangorona teo anoloan’ny Kaomisarian’ny polisy ao Antsiranana ny olona fa hoe tratra io vehivahy io, saingy tsaho niely fotsiny ilay izy ka niangavy ny olona hiparitaka ny polisy.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT