Hala-bato tao Antsirabe

> Tezitra ka mitady hitroatra ny Vahoaka


  • Zoma 27 Desambra 2013

Nanamafy ny fisian’ny hala-bato tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka tao Antsirabe I ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana Michel Ambalavato ary nampiseho ireo porofo tany aminy tamin’ny mpanao gazety teto Iarivo omaly mialohan’ny hanaterany ny fitoriany eny anivon’ny CES sy ny CENI-T.

Ny tena nahagaga anay, hoy izy sy ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ao Vakinankaratra, Atoa Rabemizana Solo, dia nazava ny vokatra azo ny alahady 22 desambra fa nitarika tamin’ny salanisa 27,41% ny kandidà Michel raha 25,15% ny an’ny kandidà Razanakolona Paul. Ny vokatra navoakan’ny SRMV anefa dia nifanohitra tamin’io fa 26,82% no voalazany fa azon’ity farany raha 26,38% ny an’i Michel Ambalavato. Rehefa nampitahaina ireo PV tany amin’ireo kandidà hafa tao Antsirabe dia voaporofo fa nisy ny famadihana ny vokatra azon’ireo kandidà roa voalohany ireo nataon’ny SRMV tamina Fokontany 9 amin’ny 60 misy any an-toerana. Tena halatra be vava izany ka manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra izahay ary mangataka ny hanaovana haingana ny fampitahana ny vokatra avy amin’ireo PV rehetra misy any amin’ireo kandidà satria efa mitady hitroatra noho ny hatezerana ny vahoakan’Antsirabe ankehitriny. Efa vonona hijoro vavolombelona amin’ity hala-bato ity avokoa ireo delegem-pifidianan’ireo kandidà rehetra.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT