Hala-bato tany Mananjary

> Vonona hijoro vavolombelona hatramin’ny farany i Fidelis


  • Alakamisy 26 Desambra 2013


Mampalahelo ny zava-misy tany Mananjary tamin’ny resaka fangalaram-bato niseho lany tamin’ny 20 desambra, hoy Atoa Razafindratomba Fidelis olon-tsotra mpifidy tamin’ny fitafana fohy tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana ka mijoro ny tenako ho vavolombelona amin’ny fisian’izany hala-bato izany satria tokony mba handeha amin’ny fahamarinana ny fifidianana natao ka olona tena voafidim-bahoaka no tokony hisolovava ny vahoaka eto Mananjary fa tsy olona voafidy tamin’ny halatra. Ny fitiavako ny tanànako no mandrisika ahy hiaro ny tena safidiny ary tsy hihemorako mihitsy izany na aiza na aiza hitondrana ny raharaha ka hilana ny fijoroako ho vavolombelona. Tena nisy fizarana biletà tokana efa voaisy marika mialoha ho an’ny kandidà iray tao amin’ny QG an’io kandidà io ao Mananjary, hoy i Fidelis, ka izay mitondra izany biletà izany ka mandrotsaka azy anaty vata mangarahara dia mahazo 5000 Ar ho tambiny. Tao amin’ny Kaominina Marokarima, Mahatsara Lefaka ary Ankatafana no tena nahitana ireo tranga ireo, hoy ity vavolombelona ity ary niaraka tamin’ny fandrahonana izany. Miangavy ny CENI-T ny tenako hanamarina ny vato rehetra tao anatin’ireo vata mangarahara, hoy Atoa Fidelis, fa stylo avokoa no napetraky ny CENI-T tao amin’ny trano fisainana nefa “marqueur” sy “feutre” no nanamarihana ireo marika hosoka ireo. Ny marina tsy mba maty ka mino aho fa ho hita izany amin’ity raharaha ity, hoy izy namarana ny teniny.

 

 

Sammy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT