Ny minisitry ny atitany sady minisitry ny fitsarana Rakotoarisoa Florent dia efa nilaza tsy ampihambahambana fa tena nisy ny hala-bato tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny 25 oktobra 2013 teo.
Tany Amboasary Atsimo dia biraom-pifidianana maro no nahitana hala-bato, hoy i Maka Alphonse mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita. Maro be ny olona nilaza ihany koa fa nahita hala-bato tany amin’ny Fokontany nisy azy satria mihoatra ny isan’ny mpifidy nandrotsa-bato ny vato avy eo. Tsy mampino ihany koa ny fahitana tany amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny hoe kandida iray ihany no nahazo ny vato rehetra tamin’izy 33 nifaninana. Tsikaritra koa izao fa misy paikadin-tserasera hafahafa atao ka ezahana ampidirina tsimoramora ao an-dohan’ny olona fa izay kandida nahazo vato be indrindra no nangala-bato. Raha tsorina ny resaka dia manomboka voizina vondron’olona ankehitriny fa ny ekipan’ny Dr Jean Louis Robinson, hono, no nangala-bato. Mampihomehy, araka ny fomba fiteny ankehitriny ilay izy satria ny olona manana fahefana, manana vola be ampiasaina no tena mahavita manao io fomba ratsy io. Tany amin’ny faritra sasany aza dia tsy nanana delege ny Dr Robinson, ka nanao izay tiany tao ny delegen’ny kandida sasany. Nisy ny filohana birao fandatsaham-bato no nitondra ny PV nody tany an-trano tamin’iny 25 oktobra iny. Tena nisy ny teny midina nomena ny mpiasam-panjakana sasany, saingy tsy naharesy lahatra ny CES moa ny fitoriana napetraka teny Ambohidahy momba izany.
Tsara homarihana, fa tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ilay lalàmpanorenana tamin’ny novambra 2010 dia efa nisy endrika fangalaram-bato ka nahitana bileta tokana efa voamarika eo amin’ny Eny, tany Moramanga. Niala bala moa ny tompon’andraikitra tamin’izany raha nanontaniana ka namaly fa bileta tokana nanentanana sy nampianarana ny olona ireny. Raha izay no izy, nahoana no tsy mba nomarihana teo amin’ny Tsia ? Efa fantatry ny rehetra ny kandida nampiasa vola be teto sy nizara vola manerana an’ity Madagasikara ity, efa fantatra ny ekipan’ny kandida nanambitamby ny delegen’ny kandida sasany mba hanova izay voasoratra ao amin’ny firaiketana an-tsoratra na PV, ka tetikady nampiasaina tamin’ny izany ny fandefasana lelavola amin’ny alalan’ny finday. «Ny marina mitavozavoza, tsy maharesy ny lainga tsara lahatra», anefa hoy ny Malagasy. Misy farany ny zava-drehetra ary tsy maintsy ho fantatra daholo ihany ny tena ao ambadik’ireny zavatra hafahafa rehetra ireny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.