Haino aman-jery

> Hisokatra ny Free-FM, bahanana ny MBS


  • Alarobia 04 Desambra 2013

Hiverina handeha ato ho ato ny onjam-peon’ny Free-FM rehefa nakatona hatramin’ny fiandohan’ny taona noho ny raharaham-pitsarana.

Raha ny re dia nisy fifanarahana mangingina nifanaovan’ireo mpitantana ity onjam-peo ity tamin’ny filohan’ny tetezamita. Haino aman-jery maro fa tsy ny Free-FM ihany no tratry ny fanakatonana noho ny antony samihafa tato anatin’ny tetezamita. Lasibatra voalohany tamin’ireny ny tao anatin’ny Vondrona MBS nahitana ny MBS Radio sy Tele, Radio Mada, nanaraka ny Radio Fahazavana, ny Radio Fototra sy ny maro hafa ka izay tsy nodoran’ny mpomba an-dRajoelina dia nakaton’ny fitondrany ary tsy nisy misokatra mandraka ankehitriny na maro aza ny fitakiana nataon’ny tompony avy sy ny mpiasa tao, hampiharana ny andininy faha-17 amin’ny tondrozotra. Miandrandra ny mbola hitondra firenena anefa ny mpanapa-kevitra momba izao raharaha izao, ka mba mampieritreritra ihany raha mbola fitanilana, arahina halako bika tsy tiako tarehy toy izany hatrany no hifampitondrana eto. Demokrasia no resaka, ka aleo samy hianoka ao anatin’izay fahalalahana izay raha tena mahazaka tokoa !

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT