Taorian’ny nahafatesan’i Nadine Ramaroson dia hita fa maro ireo mpanararaotra sy mpanao tsindrihazolena no miverina manao ny toetra ratsiny amin’ny fanaovana toetra mitory tsy fanajana ny zon’olombelona, hoy ry zareo ao amin’ny firohotana HAFARI (Hery sy Andry ho Fiarovana an’Antananarivo Renivohitra Iombonana) tarihan’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Ohatra amin’izany ny fiverenan’ny olana ara-tany samihafa tao ho ao ireny, ny fitondrana raharaha eny amin’ny tribonaly sy zandary noho ny fahalalana olona sy ny herin’ny vola sy ny fanesorana amin’ny toerany indray an’ireo mpiasa isan-tsokajiny naverin’ny minisitra Nadine Ramaroson tamin’ny toerany tamin’ny fotoanandrony. Nanamafy tanteraka ny HAFARI fa tsy handefitra amin’ny fanoherana ny herin’ny vola sy ny fanaparam-pahefana sy fanaovana tsindrihazolena velively ka vonona hijoro hametraka ny zo maha olona sy ny zon’olombelona momba ny sosialim-bahoaka.
Dia manainga mavesatra ireo mpiray tanindrazana sy ny fikambanana rehetra miaraka aminy ny HAFARI mba hijery ireo mpiara-belona tena sahirana, indrindra ao anatin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Eo amin’ny sehatry ny politika dia miantso ireo mpanao politika ity firohotana ity mba ho menatra sy handinika ny fahasahiranam-bahoaka fa tsy azy ireo irery i Madagasikara ary tokony hatao takalon’aina ny vahoaka. Eo amin’ny resaka fandriampahalemana dia tsy tokony handriandry ny polisy, tafika ary ny zandary na ho variana amin’ny adilahin’ireo mpanao politika fa mitaintaina andro aman’alina ny vahoaka.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.