Antohomadinika FAAMI, Antsahalovana, Antohomadinika III-G Hangar ary Antohomadinika manamorona ny “Boulevard de l’Europe” omaly no tanàna eny ambany toerana notsidihan’ny Hafari Malagasy niaraka tamin-dRasolomanana Dieudonné na Maradona kandidà solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany voalohany. Nijery ifotony an’ireo zava-misy mpahazo ny mponina teny an-toerana ary nangatahan’izy ireo famahana olana mivantana no anton-dian’ireto vahiny. Tao ny olana ara-tany, fahatsentsenan’ny lakan-drano, fako misavovona sy rano mihandrona. Raha ny marina dia nizaha ifotony ny fahantran’ny mponina sy ny tsy fananany asa no natao hanatrarana ny tanjona famerenana ny hasin’ny isam-batan’olona hanajana indray ny isan-tokantrano, hiady amin’ny tsy fahamarinana sy kolikoly. Hanamboatra volavolan-dalàna mihitsy izahay hifanaraka amin’izany, hoy i Maradona, ary hatolotra ho dinihan’ny rafitra mpanao lalàna izany mazava loatra.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.