Hatraiza ny grevin’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) ?
Raha ny tsikaritra mantsy dia tsy misy voavaly hatreto ny fitakian’izy ireo kanefa mitohy ihany fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny etsy amin’ny fitsarana, ankoatra ny tena fitsarana. Tsikaritra ho efa maromaro ny mpitsara miverina mamonjy ny biraony etsy Anosy.
Etsy andanin’izay, mangina tanteraka ny sendika kanefa ny grevy mitohy. Ny polisy indray aza no manomboka mivoaka amin’ny fahanginany tsikelikely. Tsy voafehy ve ny grevy ? Ny fitakiana tsy voavaly, ny sasany mamonjy ny asany ary toa mandry ivohon’ny vato izany ireo mpitsara. Na ny mpanara-baovao aza dia manomboka very an-javony ihany momba ity raharaha izay nafana am-boalohany ity. Fantatra fa saika nomena fahafahana vonjimaika ny lehiben’ny kaomisera tao Toliara izay naiditra teny Antanimora tamin’ny alatsinainy teo. Henon’ny fianakavian’ny mpitsara izay namoy ny ainy izany ka tsy tontosa indray. Midika io fa ny havan’ny maty indray amin’izao fotoana izao no lasa tena miatrika ny olana. Ny sendika mantsy miteny dia mangina avy eo ary miova rahateo ny fitakiana, hany ka lasa mihen-danja ny grevy.
G.T
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.