Manoloana ny fikatsoan’ny asan’ny fitsarana amin’izao fotoana izao noho ny fitokonan’ny mpitsara mivondrona eo anivon’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM dia maneho ny heviny ihany koa ny holafitry ny mpisolovava.
Mikatso avokoa ny ankamaroan’ny raharaha rehetra eny amin’ny Fitsarana amin’izao fotoana izao. Noho izany dia milaza ny mpisolovava fa tokony hisy lalàna vaovao mikasika ny fanohanana atao amin’ny didim-pitsarana sy ny fampiakarana amin’ny seha-pitsarana ambony kokoa. Ny olana mitranga amin’izao fotoana izao araka ny nolazain’ny mpisolovava dia voafetra ny fotoana ahafahana mampiakatra sy manao fanohanana. Ny fitsarana anefa mikatona ka tapitra ny fotoana voalazan’ny lalàna manankery hanaovana izany. Tokony hisy, araka izany, ny fepetra raisin’ny fanjakana amin’ny famoahana lalàna vaovao na fepetra hafa mifanaraka amin’ny lalàna ahazoan’ny olona tsirairay manana raharaha eny amin’ny fitsarana mizaka ny zony tanteraka araka izay voalazan’ny lalàna.
Misy fiantraikany eny amin’ny asan’ny mpisolovava ihany koa ity fitokonan’ny mpitsara ity ary misy amin’izy ireo no efa leo mihitsy ka mety handray fepetra ihany koa. Ho hita eo ihany ny tohin’ity raharaha ity fa raha ny fitokonan’ny mpitsara aloha dia ny 16 janoary izao izy ireo vao hisy fivoriambe hihaonan’ny mpitsara rehetra manerana ny nosy ka hanapaka indray raha mbola hitohy na tsia ny fitokonana. Tantara mitohy noho izany ity resaka ity satria ny minisitra misahana ny polisy izay takian’ireto mpitsara mitokona ireto hoesorina dia tsy manana eritreritra ny hiala mihitsy. Ny filohan’ny FAT rahateo ihany koa efa nilaza fa tsy misy afaka mibaiko azy amin’ny hanala minisitra izatsy na izaroa. Ho hita eo ny tohiny.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.