Actualités

Grevin'ny mpiasan'ny ala Amin'ny alatsinainy mifankahita !


  • Sabotsy 03 Martsa 2012

Tsy nahazo valiny mahafa-po avy amin'ny tompon'andraikitra sy ny manampahefana ireo mpiasan'ny ala koa dia niroso ho amin'ny fitokonana faobe nanomboka omaly.

 Teny Nanisana moa no nitrangan'izany rehetra izany. Araka ny filazan'ny solontenan'izy ireo dia tsy nisy mihitsy aloha hatramin'izao ny fifanatonana sy fifampiresahana teo amin'ny mpiasan'ny ala (ingenieur sy agent forestier) sy ny ministeran'ny tontolo iainana, ny rano sy ny ala. Ny minisitra aza moa dia efa nilaza fa tsy mitombina ny fitakiana ary misy zavatra diso ny ambaran'ireto mpiasan'ny ala ireto. Azo atao hoe mihenjan-droa izany ny tady, ary araka ny resaka mandeha, dia mety hafampana ny fananganan-tsaina eny Nanisana eny ny alatsinainy maraina izao satria hifankahita tava ao ny andaniny sy ny ankilany, ho tonga eny ny minisitra sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, hanatrika eny koa ireo mpiasa mitokona. Araka ny fanazavan'ny mpiasan'ny ala iray tafaresaka taminay, dia tsy tena hoe mifototra amin'ny tombontsoa ara-bola loatra ity hetsika ity, fa tena mahakasika mihitsy ny asa sy fomba fiasa.

Tsy eken'izy ireo mihitsy mantsy ny famoahana fanapahan-kevitra hafahafa, tsy manara-dalàna ary tsy nifampiresahana tsara tamin'ny teknisianina. Tsy azo ekena ihany koa, hoy ity mpiasan'ny ala ity ny fanomezana vahana loatra ny politika amina asa tena teknika tahaka itony, ka na dia olona tsy manana mari-pahaizana sy tsy mahafantatra na dia anarana siantifika na hazo na zava-maniry iray akory aza, dia mibaiko sy mandrahona ireo injeniera sy teknisianina nandalina izany an-taonany maro. Saro-pady ny fandraharahana sy fitantanana ny ala, koa izay, araka ny nambaran'izy ireo no tena ijoroan'ireo mpiasan'ny ala ireto, izay tsy hanaiky ny tsindry bokotra sy ny gaboraraka intsony manomboka izao, satria efa tena ampy izay, hoy izy ireo. Dia amin'ny alatsinainy izany mifankahita eny ... Nanisana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT