Nodimandry omaly i Belmondo, ilay zazalahy kely fito taona, zokin’ilay zaza roa taona namoy ny ainy nipoahan’ny grenady tetsy Anosy ny sabotsy 25 janoary teo.
Mbola izy tazomina amin’ny oksizena ho novantanin’ny mpikambana ao amin’ny FIDMTAM na ny Fikambanan’ny delege sy ny mpivarotra eo amin’ny tsenan’Alakamisy etsy Mahamasina, notarihin’ny filohany Bendinelli Hanitriniala, nandritra ny fitsidihana nataony teny amin’ny HJRA omaly. Raha araka ny fantatra moa dia mpikambana ara-dalàna ary voasoratra anarana ao anatin’ny FIDMTAM ny ray aman-drenin’i Belmondo. Tonga naneho ny firaisankinany tamin’izy ireo, araka izany, ireo mpivarotra miaraka aminy ka nisy ny fanolorana izay voatsirambin’ny tanana. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa mbola hifampidinika hanao izay fomba hanampiana ireto fianakaviana ireto ireo mpivarotra miaraka aminy. Miantso ny fitondram-panjakana moa izy ireo mba hijery akaiky ny zava-misy noho ny fahasahiranana mahazo ireto fianakaviana nidonam-pahoriana ireto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.