Mitodika any Toamasina avokoa ny sain’ireo dokotera mpikamban’ny holafitry ny mpitsabo (CROM) sy ny fianakavian’ireo voarohirohy manomboka anio.
Amin’ity andro ity tokoa no hitsarana ilay famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny Dr Laivao Michel, telo taona lasa izay sy nangalarana ny fiarany 4x4 Mitsubishi “Sportero” tamin’izany ary mbola nampijaliana an-janany izay nahita maso ny fialan-drainy aina tao Ambalamanasy toerana nanariana azy mianaka. An-kilan’ireo dia maromaro ny dosie lehibe eo am-pelatanan’ny fitsarana ao Toamasina miandry fitsarana sy fanadihadiana lalina, anisan’ireny ireo antontan-taratasina andramena izay ny “dockers” no maro misazy fa tsy ireo tena tompony. Fa anisan’ny goavana izay andrasana koa ny marina momba azy dia nahafaty an-dRtoa Nadine Ramaroson tao Soanierana Ivongo sy ireo mpiara-miasa aminy izay araka ny loharanom-baovao dia efa misy ny taratasy fampiantsoana hiatrika ny fanadiadiana eo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana hanakatonana ny antontan-taratasy hirosoana amin’ny fitsarana ny raharaha. Mbola antontan-taratasy mahavoatonontonona minisitra teo aloha ihany koa ny resaka fanodinkodinam-bola teo anivon’ny OTIV vondrona ACOA.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.