Actualités

Gadra tao Antanimora Navoakan’ny minisitra sy tandapa


  • Sabotsy 25 Jona 2016

Makŕ ihany namana minisitra sy mpanolotsain’ny filoha amin’izay mba tsara mpiaro. Ho fotsy rora miteny fotsiny eo ny mpanao politika, fiarahamonim-pirenena, mpitondra fivavahana, sendika ary hiasa maina eo ny Birao Mahaleotena miady amin’ny kolikoly (BIANCO) sy ny Fitsarana amin’ity kolikoly avo lenta miseho eto amin’ny firenena ity.

 


Noheverina fa hijanona tamin’iny raharaha tany Toamasina nandoaran’ny mpanolotsain’ny filoha tao am-ponjan’Ambalatavoahangy, ka nitondran’izy ireo tamin’ny fiarabe niala tany Toamasina niakatra aty Antananarivo, ireo olona 28 voarohirohy tamin’ny raharaha fakana an-keriny zaza tsy ampy taona roa mianadahy, tamin’ny novambra 2015 ny tandapa manao lava tanana.

Inona akory no teo ! Karana melohin’ny fitsarana higadra fito taona be izao noho ny trafikana volamena nefa tsy nandingana na indray maraina tany am-ponja akory dia “libra”. Izao indray, olona efa voatazona am-ponja ao Antanimora no navoaka, namoronana aretina fotsiny dia mialokaloka ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Tsy mba iray na roa fa telo be izao.

Tsy vitan’izay fa tery vaimanta avy amina minisitra sy mpanolotsain’ny filoha anankiroa no nampidirana azy telo lahy ireo ao amin’ny HJRA. Ny iray aloha toa manana aretina tokony hotsaboina ihany, fa ny roalahy namoronana aretina fotsiny izao. Ao amin’ny hopitaly ry zareo no hiandry ny fivoahan’ny taratasim-pitsarana manafaka azy ireo vonjimaika.

Tsy manan-tsafidy ny mpitsabo na efa betsaka aza ireo saika nigadra tamina resaka toy itony, nefa ny mpitondra no manao ny ataony.

Raharaha mamofompofona kolikoly tao amin’ny Jirama no nahavoasaringotra azy telo lahy ireto. Nandray an-tanana ny fanadihadiana ny BIANCO ary nanolotra ny vokatr’izany ny Fitsarana. Fotoam-bery sy zava-poana avokoa anefa izany rehefa tojo ny lava tanana.

Rehefa iza izany eto amin’ity firenena ity dia atao hazalambo sy ihazakazahana ny fandefasana azy any am-ponja, ary rehefa iza no tsy mahazo mandingana any am-ponja na dia iray segondra monja aza na dia didin’ny Fitsarana izao no mandefa azy any, fa ampiasana izao fahefam-panjakana rehetra izao ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT