“…Voafehy ny fandriampahalemana eo amin’ny andavanandron’ny Malagasy…”.
Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ny fihaonan’ny solontenan’ny komitin’ny fandriampahalemana sy filaminan’ny Troika tamin’ny tomponandraikitra ambonin’ny foloalindahy malagasy. Ireto farany, ireo lehiben’ny tafika malagasy, no nilaza fa milamina ny eto Madagasikara ary mbola voafehy tsara ny filaminana ka tsy misy tokony hampikorapaka. Dia ahoana izany ny momba ny mpitsara iray izay maty novonoin’ny polisy ka nitarika korontana ankehitriny ? Dia ahoana ihany koa ny momba ny olona tokony hogadraina an-jatony kanefa nalefa fotsiny rehefa mitokona ny mpitsara ? Dia ahoana ihany koa ny vokatry ny tsy fandraisan’ny mpitandro ny filaminana ny andraikiny intsony ka lasa mijery fotsiny ny mpangalatra, ankoatra ireo nahavita heloka bevava noho ireo antony voalaza etsy ambony ? Ary ahoana ihany koa ny mety ho vokatry ny grevin’ny mpiasam-panjakana izay hanomboka rahampitso ? Mbola sahin’ny tafika ihany ve ny milaza fa voafehy ny filaminana amin’izao fotoana izao eo anoloan’ny iraky ny Troika-SADC ? Dia nino koa ireto farany ary hisy mihitsy aza, mba ho fisaorana ireo tomponandraikitry ny filaminana, ny fanomezana fitsidihana ara-pirahalahiana any amin’ny firenena iray milamina, mpikamban’ny SADC. Dia mikipy loatra ve sa mody mikipy ireto iraky ny SADC ireto e ? Ny ankilany koa amin’io mampifalifaly tena fotsiny.
S.T
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.