Fokontany 67 Ha Atsimo

> Miandry ny lisi-pifidianana fanampiny


  • Zoma 13 Desambra 2013

Nanodidina ny 200 teo ireo olom-pirenena noverezin-jo tsy afaka naneho ny safidiny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny 25 oktobra 2013 tao amin’ny Fokontany 67 Ha Atsimo, hoy ny sefo fokontany lefitra Andrianasolo Bruno Gaëtan.

Toy ireo rafitra ifotony rehetra dia efa nanatanteraka ireo dingana rehetra nampanaovin’ny Vaomirem-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana amin’ny fikarakarana ny lisi-pifidianana fanampiny ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity Fokontany ity. Mbola miandry ihany koa ny mety ho toromarika vaovao omen’ny Ceni-T sy ireo rantsamangaikany eny amin’ny Distrika. Tokony ho tamin’ny 05 desambra no niandrasana ny valin’ny fangatahana natao nefa tsy nisy tohiny hatramin’izao, hoy ny fanampim-panazavana nomen’ity mpitantana ny Fokontany 67 Ha Atsimo ity. Etsy an-daniny, efa vonona ny ara-olona sy ara-pitaovana hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy solombavambahoaka amin’ny zoma 20 desambra 2013 amin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 5, araka ny fanangonam-baovao teny an-toerana. Mahatratra eo amin’ny 4.517 ny isan’ny mpifidy ao amin’ity fokontany ao anatin’ny boriborintany voalohany ity.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT