Actualités

Foibem-panadinana Antanimbarinandriana 34 ireo mpiadina Cepe tsy tonga


  • Alarobia 06 Jolay 2016

Nahatratra 34 ireo mpiadina voasoratra anarana tsy tonga ho an’ny foibem-panadinana Antanimbarinandriana ahitana ny EPP sy ny CEG mitambatra omaly talata 5 jolay nanatanterahana ny fanadinana CEPE.

 

 Tsy nisy ny olana manokana tamin’ny ankapobeny, hoy Ramatoa Adorson  Lantomalala fa nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana. Telo isaky ny efitranom-panadinana ireo mpiambina niandraikitra ny mpiadina izay fantatra fa tsy nisy banga na dia iray aza fa tonga avokoa. Hanomboka anio alarobia 6 jolay avy hatrany ny  fitsarana ny fanadinana ary tsy hijanona raha  tsy vita  tanteraka. Logiciel vaovao manaraka ny toetrandro, fanomezana avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no hanatanterahana ny asa, antony mampihemotra ny fivoahan’ny voka-panadinana roa na telo andro aorian’ny herinandro mahazatra toy ny teo aloha. Tsiahivina moa fa nahatratra 1.892 ireo mpiadina voasoratra anarana ho an’ity foibem-panadinana iray ity raha mahatratra 467.859 izany manerana an’i Madagasikara niparitaka tamina foibem-panadinana miisa 762. Nampiavaka ny fiatrehana ny fanadinana tamin’ity  taona ity ny fandrosoana ny fotoana 30 minitra mialoha niatrehan’ny mpianatra ny laza adina raha oharina tamin’ny mahazatra hatramin’izay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT