Fizotry ny fampielezan-kevitra tao Ambositra

> Nisy mifandrovitra peta-drindrina sy mifanaratsy ireo kandida sasany


  • Alakamisy 19 Desambra 2013

Nafana ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana solombavambahoaka sy fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena tao Amoron’i Mania nandritra izay telo herinandro izay.

Maro ireo kandida depiote no mitaraina fa nisy nandrovitra ny sarin’izy ireo izay napetaka tamin’ireo toerana natokana ho amin’izany. Tany amin’ny Kaominina Fahizay, departemanta Imadiala manokana ny sabotsy 14 desambra teo dia nisy kandida solombavambahoaka lasibatr’izany taorian’ny famoriam-bahoaka nataony. Napetraka maraina ny afisy dia nisy nandrovitra teo ny hariva rehefa hody any Ambositra ilay kandida sy ny mpanohana azy. Tsy ny fandrovitana afisin’ny kandidan’ny mpifanandrina ihany no nisy fa efa nisy koa kandida nanaratsy tamin’ny onjam-peo ny kandida mpifanandrina aminy. Nandritra ny famoriam-bahoaka ataon’ny kandida iray an-kalamanjana dia misy kandida hafa miaraka amin’ny zava-maneno mafy mandalo sy mizara t-shirt sy elo eo akaikiny eo dia miahaka ilay namory olona. Nanao ny asany tao Amoron’i Mania rahateo ireo mpanara-maso vahiny toy ny SADC sy ny Vondrona Eoropeanina ka ho hita eo izay hambaran’izy ireo. Na izany aza dia samy nampiseho ny maha izy azy ireo kandida depiote. Anjaran’ny mpifidy sisa no mandray fanapahan-kevitra rahampitso zoma 20 desambra.

 

Rado

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT