Actualités

Fizarana fanampiana ho an’ny traboina any Moramanga : Fanodinkodinana ara-politika no misy hoy ny CT Ignace Randriamamizafy


  • Alarobia 14 Martsa 2012

Manaitra ny sain’ny tompon’andraikim-panjakana mpanolotra ireny fanampiana hoan’ny traboina ireny ny CT Ignace Randriamamizafy fa misy manodinkondina ara-politika ny fizarana azy ireny any amin’iny Faritr’i Moramanga iny.

 Miantso ny BNGRC sy Distrikan’i Moramanga izy, araka izany, mba handray an-tanana mivantana ny fizarana ireo fanampiana ireo. Ny zava-misy, hoy ity CT avy any Moramanga ity, dia tsy atao tonga ara-potoana sy amin’ny tena ilaina azy amin’ny maha-vonjy taitra azy ireny zavatra atolotry ny malala-tanana ireny. Isan-kerinandro mantsy, hoy izy, vao mandalo any Moramanga ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro ary amin’izany fotoana fandalovany izany hatrany vao misy ny fizarana atao (zoma 2 martsa ny tany Beforna, herinandro taorian’io ny 9 martsa ny tany Andaingo, tamin’ny zoma teo ny tany Analabe ary amin’ny zoma izao ny fanaterana ny any Tanandava Mangarivotra Beparasy).

Tsy maintsy programa avy amin’ity lehiben’ny Faritra ity no hanaovana ny fanolorana ary isaky ny manatitra izany amin’ny toerana iray izy dia tsy maintsy lazainy anaty lahateny ataony fa hisaorana ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina tamin’ny fanomezana. Marihiko anefa, hoy ny CT Ignace fa ankoatra ny fanomezana naterin’ny Praiministra Beriziky nivantana tany an-toerana sy izay avy amin’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita naterin’ny filohany Mamy Rakotoarivelo sy ireo mpanara-dia azy nivantana koa, dia avy amin’ny malala-tanana sy ny orinasa Ambatovy avokoa ireo fanomezana ireo (“tôles” 600 takelaka, vary, menaka, savony …) ka tsy tokony hisy mihitsy izany fanononanana ny anaran-dRajoelina izany fa fanaovana propagandy politika marindrano izany. Marihiko, hoy ny CT Ignace Randriamamizafy, fa tsy misy fanodinkodinana zavatra atolotra fa io fanodinkodinana ara-politika io no hanaovana ilay fanampiana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT