Actualités

Fitsirihana ireo tahirina andramena Tsy misy mangarahara mihitsy ?


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Na tsy mahoraka firy intsony amin’ny filazam-baovao aza dia mbola misy ihany any amin’iny ilany avaratra atsinanan’ny nosy iny ny famoahana an-tsokosoko ny andramena.

 Misy ny tratra, misy kosa no tafaporitsaka. Ny fanjakana anefa dia efa nilaza fa nijery ny tahirin’ireo mpandraharaha rehetra ary nampitsahatra ihany koa ny fanapahana ity hazo sarobidy ity. Ny fanondranana azy moa dia efa tsy azo atao. Koa avy aiza, ary handeha ho aiza ary ireo hazo sarobidy telo kamio tratra tany Vohémar, herinandro mahery lasa izay ? Iza no tompony, ary iza no mpividy ? Eto an-toerana ihany ve sa alefa any ivelany ? Ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina dia ratsy endrika tanteraka tamin’ity trafikana andramena ity ary tena nanakoako maneran-tany mihitsy ny laza ratsiny. Olona ambony maromaro no tafiditra ao anatiny, saingy niara-maty tamin-dRtoa Nadine Ramaroson moa ny ampamoaka goavana momba izany. Dia samy milamindamin-tsaina avokoa ireo mpandraharaha sy mpanao politika nahazo vola an-jatony miliara ariary tamin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Ny minisitry ny tontolo iainana vaovao moa dia nilaza fa telo na efatra volana dia hilamina ity resaka andramena ity.

Dia miandry ny rehetra, ary manontany tena hoe : tena nisy tokoa ve ilay fitsirihana ny tahirin’ireo mpandraharaha, ary raha nisy ilay izy dia ahoana ny vokany ? Tsy tokony nampahafantarina ny besinimaro ve ny tahiry ? Amidy atao lavanty ilay izy, na aondrana dia ambara mazava ny vola azo, ary ampiasaina amin’ny tetikasa izatsy na izaroa. Tsikaritra mantsy fa tsy mbola misy sorabola miditra amin’ny fanjakana momba io fivarotana boaderozy io ao anatian’ny teti-bolam-panjakana 2012, izany hoe tsy mbola nisy lafo na dia bolabola iray aza ireo hazo sarobidy nangonin’ny fanjakana. Tsy azo atao sakafo ny boaderozy fa hahazoana vola be kosa raha amidy, ary efa niteny an’io ny fanjakana ka miandry ny hiafarany ny rehetra.

Azo atao tsara mantsy ny manampy ireo Kaominina amin’ny vola azo avy amin’izany boaderozy izany, amin’ny alalan’ny tetikasa maro samihafa. Azo hividianana vary sy menaka ary entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka hanampiana ny Malagasy ny vola azo avy amin’izany. Toa resaka be fotsiny ilay izy fa tsy misy ny tena asa mivaingana, ary ny mampanahy ny maro aza dia mandeha tsimoramora any ambadimbadika any ny afera dia ireo efa matavy ihany no mbola mahazo tombony mihoapampana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT