Maro azo isafidianana ny fandaharam-potoana namaranana ny taona 2013 ho an’ireo sokajin’olona isan-karazany.
Toy ny mahazatra dia tao ireo toeram-pilanonana nampiantrano alim-pandihizana miaraka amin’ny fanentanana samihafa nomanin’ireo mpikarakara izay samy nanana ny nampiavaka azy. Anisan’izany ny teo amin’ny lafiny fanentanana sy ny sakafo naroso niaraka tamin’ny zava-pisotro. Ho an’ireo fianakaviana sy mpinamana izay tsy afaka nanatrika ireny lanonana marobe nisy fidiram-bola ireny moa dia tao ireo nifamotoana nifaly sy nifety tamin’ny toerana efa nosafidiana mialoha fa hamaranana ny taona 2013 sy hitsenana ny vaovao 2014. Fa tsy latsa-danja izay niseho tamin’ireo toerana maro samihafa ireo ihany koa ny zava-nisy sy nitranga tamin’ireo fiangonana maro samihafa teto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Efa nisy rahateo ny fandaminana sy fanomanana notarihan’ireo tompon’andraikitra ara-panahy ka nanentanana mialoha ireo mpino hanatrika sy hanome voninahitra ny fotoana tamin’io alin’ny 31 desambra 2013 ho fiandrasana ny figadon’ny marainan’ny 01 janoary 2014. Naredona tokoa, araka izany, ireo antsam-panahy sy hiram-piderana niarahan’ireo ankizy, tanora sy ireo efa zokinjokiny nikalo nandritra ny ora maro ho fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra izay nitantana iny 12 volana nivalona iny sy nitondrana am-bavaka ny tsirairay sy ny fiainam-pirenena eo anatrehan’ilay Mpahary ny fiatrehana ny 365 andro vao manomboka. Omaly alarobia 01 janoary maraina moa dia mbola nitanjozotra nihazo ny toeram-piangonana ireo kristianina marobe namonjy ny fanompoam-pivavahana voalohany ho amin’ity taona vaovao 2014 ity ka nisy ny fiarahabana manokana ireo raiamandreny zokiolona sy fitsinjovana ireo sokajin’olona tena sahirana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.