Actualités

Fitsarana Hiato ny “service minimum” ?


  • Talata 28 Febroary 2012

Tahaka ny efa fanaony herinandro maromaro izao, dia nanatanteraka fivoriambe teny anosy omaly ny mpitsara, nandinihana ny zava-misy sy ny dingana efa vita amin’ny fitakian’izy ireo ary eo ihany koa ny mety ho fiatoana na ho fitohizan’ny hetsika.

 Raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny SMM Marius Auguste Arnaud ary dia ahiana amin’io herinandro ambony ho avy io ny tsy hisian’ny « service minimum » intsony, izany hoe tsy hisy intsony ny fitsarana ireo nanao heloka ka tratra ambodiomby, satria mifarana amin’ny alakamisy 01 martsa izao ny maha manankery ny didy manendry ireo mpitsara, hiasa. Nambarany ihany fa ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany no manam-pahefana hamoaka izany. Raha tsy manao izany ara-potoana izy, dia ahiana ny hiatoan’ny fiandrasan-draharaha koa dia tahaka ny manao fitokonana faobe indray izany ny mpitsara.

Tsara ho marihana fa na dia efa nisy aza ny fifanatonana sy fifanazavana tamin’ny polisim-pirenena sy ny mpitondra fanjakana dia tsy mbola voavaly araka ny andrasan’izy ireo ny fitakian’ny mpitsara, nijanona ho resaka sy fampanantenana ny zava-drehetra nivoriana fa tsy mbola nisy ny fampiharana azy. Izay no mbola hisian’ny fitokonana hatramin’izao. Ny SMM moa dia efa nilaza ombieny fa hijoro hatramin’ny farany izy ireo hiaro ny soatoavina sy ny fahaleovantenan’ny fitsarana eto Madagasikara, ary tsy ekena intsony ny teny midina sy tsindry bokotra avy amin’ny mpitondra momba ny raharaham-pitsarana. Mbola mety hisy ihany moa amin’ity herinandro ity ny fifampiresahana eo amin’ny SMM sy ny ministeran’ny fitsarana koa ho hita eo indray ny ho tohin’ity raharaha ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT