Actualités

Fitsarana Anosy Mikatona mandritra ny herinandro


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Maro ireo tsy nanampo ny hikatonan’ny fitsarana raha tonga teny ka nanan-draharaha tamin’ny alatsinainy teo.

 Araka ny fantatra dia mandritra ity herinandro mihitsy no hikatona ary tsy handray raharaha mandritra izany. Ho tohin’ny atrikasa izay nataon’ny firaisamben’ny mpitsara sy ny sendikan’ny mpitsara kosa dia tapaka fa manomboka ny alatsinainy ho avy izao dia hiverina hiasa ny fitsarana saingy mbola mpiandry raharaha ihany koa no ho hita ao, na dia hiverina hiasa avokoa aza izy ireo. Ho fandaminana izany fiandrasan-draharaha hanomboka amin’ny herinandro izany no anton’izao fikatonana izao.

Diso fanantenana ireo manana raharaha teny anivon’ny fitsarana tamin’io andro io saingy efa nisoratra tao avokoa ireo daty nihemoran’ny raharahan’izy ireo. Araka ny fantatra dia hisy ny fihaonan’ny mpitsara sy ny polisy izay hatao rahampitso raha tsy misy ny fiovana amin’ny fotoana farany izay karakarain’ny filohan’ny FAT. Ny zoma izao kosa dia mbola hanao fihaonambe ny mpitsara hamaritana io fiandrasan-draharaha io sy izay mety hivoitra amin’ny fihaonan’izy ireo amin’ny polisy. Ny fitsarana manerana ny Nosy dia mitovy avokoa ny zavatra miseho sy misy raha ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Auguste Arnaud.

Olana ho an’ireto mpitsara ireto ihany koa, raha ny voalazan’ny SMM, ny fahateren’ny fotoana hanendrena izay solontenan’ny mpitsara ho ao amin’ny CENI, satria rahampitso no voalaza hanaovana izany eny amin’ny biraon’ny ministera eny Faravohitra saingy mangataka ny hanemorana izany izy ireo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT