Actualités

Fitsaboana ny olona manatanteraka fihetsehana Nohamaivanin’ny fitondram-panjakana


  • Zoma 01 Jolay 2016

Tsy nomen’ny fitondrana lanja mihitsy hatramin’izao ny lafiny fitsaboana ny olona manatanteraka fihetsehana na ny « medecine du sport »

raha ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fanatanjahantena sy ny teo anivon’ny tranoben’ny fanatanjahantena nandritry ny adihevitra izay nataon’izy ireo tetsy Antsakaviro omaly tolakandro. Araka ny fanazana moa dia tamin’ny lalaon’ny nosy tamin’ny 2007 no niasa farany ireo fikambanana misahana manokana izany ary na ny lalàna 97/014 izay mikasika ny fanatanjahantena aza moa dia tsy ahitana resaka momba azy io mihitsy. Ilaina dia ilaina anefa, hoy ireo tompon’andraikitra ny mametraka azy io amin’ny toerany satria izany no nampitotongana ny fanatanjahantena teto amintsika hatramin’izay. Ohatra noraisiny moa ny hoe fisian’ireo atleta efa naratra tsy voatsabo nefa mbola hampiakarina kianja hatrany. 

Mirija  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT