Miantso ny fitondram-panjakana foibe hampitsahatra ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ataon’ny Sinoa Jiuxing Mines any amin’ny faritr’Itasy,
izay tsy mitondra soa sy tombony velively ho an’ny vahoaka malagasy, ireo ben’ny tanàna miisa 10 (Arivonimamo I, Arivonimamo II, Morafeno, Miarinarivo II, Soamahamanina, Antoby Est, Manazary, Mandiavato, Ampary, Antanetibe) avy any an-toerana miaraka tamin’ny Vovonam-paritry ny VOI Itasy sy ny Tafo Mihaavo nasionaly. Ankoatra ny fanimbana ny tontolo iainana dia tsy hitondra voka-tsoa ho an’ny faritra mihitsy io fitrandrahana io, hoy izy ireo. Manampy izay dia 1,4% fotsiny ny hetra na « redevances » azon’ny fanjakana ary io no zarazaraina hatrany amin’ny foibe ka hatrany amin’ny kaominina. Rehefa natao ny fampifanindriana ny sarin-tany misy ny toerana hitrandrahana sy ny sarin-tany misy ny alan-tapia dia feno alan-tapia tanteraka ilay faritra nahazoana « permis environnemental » sy ny « permis d’exploitation » azon’io orinasa io ary tafiditra ao anatin’ny faritra hotrandrahana ihany koa ireo tanàna lehibe efa nonenan’ny mponina an-jato taonany, ka izany indrindra no mahatonga ny rehetra misavorovoro be toy izao, hoy ny fanazavan’izy ireo. Ny alan-tapia anefa dia harena voajanahary tsy manam-paharoa satria tsy misy afa tsy eto Madagasikara ihany (Itasy sy Amoron’i Mania) ka harovana fatratra. Ankoatra izay dia maro sesehena ny zava-tsoa sy tombontsoa avy amin’io ala voajanahary io. Ankoatra ny fiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, dia ao ihany koa ny sehatry ny landy sy ny tenona. Tsara ny manamarika fa raha sanatria ka ho fongana noho io fitrandrahana volamena io ny alan-tapia dia azo antoka tanteraka fa ho tototry ny antsanga sy ny fasika ary ho foana ihany koa ny farihy izay mampiavaka an’Itasy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.