Olona iray no maty hatreto vokatry ny voalaza fa didin’ny be sandry ataon’i Pety Rakotoniaina ao amin’ny toerana iray fitrandrahana vato any Ikalamavony.
Orinasa Vatogasy izay tompon’ny fahazoan-dalana hitsirika ilay kariera no nantsoin’ity Pds-n’i Fianarantsoa ity raha vao nivoaka kely ny fonja ny tenany. «Nifanaraka izahay fa i Pety no hiantoka ny fiambenana ny karieranay. Nisy ny fangatahana mpitandro ny filaminana hiambina ilay toerana saingy noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena dia tsy afaka nanome fahafahampo anay ny tompon’andraikitra. Nilamina tsara ny fiarahanay taminy ary nahavita tsara ny fifanarahana izy. Nilaza taminay izy fa hitrandraka vato ao amin’ilay toerana. Namaly izahay fa tsy afaka manao izany satria fahazoan-dalana hanao fitsirihana no azo avy amin’ny fanjakana fa tsy fitrandrahana. Tsy nety anefa izy fa nitrandraka ilay tany mihitsy. Teo no voatery nanapaka ny fifanarahana taminy izahay satria mivaona tamin’ny zavatra nifanarahana ny zava-misy», hoy Rasolofoniaina Serge, tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa Vatogasy. Niova ho lasan’i Pety avokoa ireo tany rehetra ao Bevahondrano izay misy ity kariera ity.
Nisy ny fidirany an-keriny niaraka tamin’ny olona maro tany an-toerana ny 18 desambra 2011. Nanao tifi-danitra ireo mpitandro ny filaminana niambina ilay toerana. Najanony lavitra ny fiarany fa nandeha an-tongotra izy nanatona teo amin’ilay trano namboarin’ny Vatogasy. «Tonga tao izy dia nofelahiny avokoa ireo mpiasa tao. Nahita izany ny renin’ny mpiasa iray dia narary ary namoy ny ainy mihitsy. Raha notifirinay izy dia maty saingy tsy izay no baiko azo tamin’ny tompon’andraikitra», hoy ihany ireo avy amin’ny orinasa Vatogasy. Nametraka fitoriana tany Fianarantsoa ny Vatogasy taorian’izay saingy tsy nahitam-bokany izany.
Amin’izao fotoana izao dia sivily an-jatony mitambasy no miambina ity toerana ity. Tsy mahazo mandingana ao ny orinasa Vatogasy. «Izahay anefa no tompon’ny taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny fanjakana. Izahay ihany koa araka izany no mandoa ny hetra an-tapitrisany. Miantso ny tompon’andraikitra izahay araka izany fa mijaly ny vahoaka malagasy noho ny afitsoky ny be sandry», hoy ihany izy ireo. Tourmaline no vato alaina ao amin’ity kariera ity.
Solo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.