Actualités

Fitoriana mpiasam-panjakana Tafakatra dimy sahady, tezitra ny vahoaka ao Manandriana


  • Talata 22 Novambra 2011

Manao tohivakana amin’izao fotoana izao ny fitoriana ataon’ny olona sasany ireo mpiasam-panjakana am-perinasa ao amin’ny Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania.

 Tafakatra dimy sahady izy ireo tato anatin’ny roa volana monja, anisan’ireny ny “Médecin Inspecteur” ao amin’ny Hopitaly Manandriana. Manao ranolava, araka izany, ireo taratasy fangatahana fanakanana ity mpiasam-panjakana mamy hoditra amin’ny vahoaka ity voarain’ny Lehiben’ny Distrikan’i Manandriana, Mosa Romain tato anatin’ny andro vitsivitsy izao. Niaiky ity Lehiben’ny Distrika ity fa mampalahelo ny zava-misy satria torotoroka ataon’ny olona sasany samy mpiasam-panjakana ao an-toerana vokatry ny lonilony sy fialonana ary misy ambadika politika no anton’ireo fitoriana izay tsy mitombina loatra. Misy mpitsabo sy mpampianatra ary Delegem-panjakana miasa ao amin’ny Distrika koa iharan’izany fitoriana izany. Nohamafisin’ny Ben’ny tanàna ao Ambovombe-Centre ihany koa io voalazan’ny Lehiben’ny Distrika io ka nilazany fa leo fitoriana mpiasam-panjakana lava ny vahoaka tantaniny ary tsapany fa olom-bitsy tsy tia ity “Médecin Inspecteur” ity ao amin’ny Hopitaly ihany no mitory amin’ny zavatra tsy misy antony. Vao herintaona monja no nitantanan’ity Lehiben’ny tobim-pahasalamana ao Manandriana ny tontolon’ny fahasalamana ao an-toerana dia izao efa misy misompatra izao. Vokatry ny fitoriana nataon’ny olona ihany koa, hoy ihany ny Ben’ny Tanàna ao Ambovombe-Centre no nampiala ilay teo aloha. Mangataka ny Ministeran’ny fahasalamana vaovao tantanin-dRtoa Ndahimananjara Johanita, araka izany, ny mpitondra ao Manandriana mba handray ny fepetra hitazomana ity mpiasan’ny fahasalamana ity fa ahiana ny hisian’ny hetsi-bahoaka. Hentitra ny Lehiben’ny Distrika, Mosa Romain sady nampitandrina ireo mpitorotoroka mpiasam-panjakana manao ny asany ao an-toerana amin’ny zavatra tsy misy fototra sy porofo mazava.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT