Araka ny fampahafantarana nataony dia raikitra omaly ny fitokonana faobe nataon’ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana, saika nanerana ny Nosy.
Tsy nisy niasa fa nanao fitokonana tao amin’ny «Paierie générale Antananarivo» eo Antaninarenina avokoa ny mpiasa avy amin’ireo sampandraharaha miankina amin’ny Tahirimbolam-panjakana eto Antananarivo sy ny manodidina. Nanatanteraka ilay hetsika avokoa ihany koa ireo «Trésorerie générale» sy «Perception principale» any amin’ny faritra, araka ny tatitra nataon’ny delegen’ny mpiasa. Fanoherana ny ambaran’izy ireo fa fampitahorana ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana noho ny fahasahiany manapotsitra ny fitantanana goragora ny volam-panjakana sy halatra amin’ny endrika samihafa iny omaly iny. Nilaza moa ny delege Rajoelisaona Sedera fa karazana fampitandremana iny fitokonana omaly iny ary mandray asa avokoa ny mpiasa rehetra manomboka anio ho fitsinjovana ireo mpila raharaha saingy mety hitohy sy hiha henjena kokoa ny hetsika raha mbola misy tsy maty voalavo an-kibo. Nomarihany fa efa sangy mihoatra ny loha ity raharaha ity satria efa fanintelony izao no misy fanerena ny «Agent comptable» eo anivon’ny «Bureau du Cadastre Minier de Madagascar» hamoaka vola be amin’ny fomba tsy manara-dalàna. Tsy nisy tafavoaka anefa ireo rehetra ireo satria ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana mihitsy no nitsivalana. Tamin’ity raharaha farany ity izay nikasana ny hamoahana vola 16 miliara Ariary dia ny tenany indray no notoriana ho mpiray tsikombakomba hanamora ny famoahana ilay vola be. Ary izay indrindra no anton’ny fakana ambavany azy ny zoma lasa teo. Araka ny fikaroham-baovao nataon’ny Tahirimbolam-panjakana dia mpitondra ambony am-perinasa eto amin’ny firenena izay tsy faly amin’ny fijoroan’ny Tahirimbolam-panjakana manohitra ny tsy rariny no ao ambadik’ity raharaha ity. Efa hatry ny ela no misy miketrika teti-dratsy atao aminy ary tonga amin’ny fikasana handatsaka aina aza izany. Efa nisy andian’olona nanafika ny tokantranony tamin’ny 2011 saingy avotra soa aman-tsara izy. Nisy voatifitry ny mpiambina azy sy ny mpitandro ny filaminana ny sasany tamin’ireo olon-dratsy ireo ka namoy ny ainy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.