Actualités

Fitokonan'ny SECES Ary ahoana ireo vola be omena ny mpamory hetra ?


  • Alakamisy 19 Janoary 2012

Lasa ady eo amin'ny minisitry ny Vola sy ireo mpampianatra mpikaroka ny olana eny amin'ny oniversite.

 Ireo mpampianatra mpikaroka dia manizingizina fa zon'izy ireo no takiany fa tsy rendrarendra akory. Sandan'ny hatsembohanay no takianay, hoy izy ireo. Efa tao amin'ny tetibola 2011 io araka ny voalazan'ireo mpampianatra mpikaroka nefa hatramin'izao tsy nivoaka. Na ireo “grand corps”, na ireo sendika isan-karazany ao anation'io “grand corps” io dia samy milaza ny amin'ny vola omena ny mpiasan'ny hetra amin'ireo hetra miditra amin'ny fanjakana. Vola be izy io. Ny mahavariana anefa dia asa andavanandron'ireo mpiasa ao amin'ny hetra ny mamory hetra. Sandaina vola ambony ampanga indray anefa izy ireo amin'izany. Mahavita asa fampandrosoana ny firenena na fotodrafitrasa io vola omena ny mpiasan'ny hetra io raha toa ka mandeha any amin'izany, hoy ireo mpiasam-panjakana ambony sasany. Mbola betsaka noho izany ny olana eto ami'ny firenena noho ny antony fisian'ny mizana tsiandrin'ila eo amin'ny samy mpiasam-panjakana. «Antony mahatonga anay hitaky ny hisian'ny andro hiadin-kevitra eo amin'ny tontolo ara-panjakana mihitsy io fa ny anay moa mahakasika ny tontolon'ny Fitsarana ihany», hoy kosa ny mpitsara iray.
Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT