Actualités

Fitokonan’ny mpampianatra Tsy nisy mpanaraka ny teto Antananarivo, hoy ny Cisco


  • Talata 28 Febroary 2012

Nanomboka omaly ny 72 ora nilazan’ny Sempama fa hanatontosan’izy ireo fitokonana fanairana mandritra ny 3 andro.

 Ho an’ireo sekolim-panjakana sasantsasany nolalovana omaly anefa dia samy nizotra tahaka ny mahazatra avokoa ny fampianarana toy ny teny amin’ny Epp anosibe. Teo anivon’ny Lisea Ampefiloha indray dia ireo mpampianatra tsy raikitra na “ vacataire’ no sahy naneho hevitra ka nilaza fa tsy voakasiky ny hetsika iarahana izy ireo satria sady tsy mpiasam-panjakana no tsy mpikambana ao amin’ny Sempama ihany koa. Naninzingina ihany koa ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra fa tsy nisy izany fahatapahan’ny fampianarana izany nanerana ny Epp, Ceg ary ny lisea rehetra teto an-drenivohitra omaly. “ Nalefa nanara-maso ny zava-misy isan-tsekoly avokoa ny Zap miaraka amin’ny tenako ary samy tsy nahita fiantohan’ny fampianarana mihitsy”, hoy Razafindralambo Voahangy, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra. Ho hita eo n ho tohiny anio.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT