Fitohanan’ny fiara eto Iarivo

> Sao dia tokony homena 7 miliara koa ny «police de la route»


  • Talata 12 Novambra 2013

Tsy misy izay tsy mikaikaika ny mpampiasa fiara sy mpandeha amin’ny zotra isan-tsokajiny eto an-drenivohitr’i Madagasikara noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana tsy roa aman-tany miseho maraina antoandro hariva amin’ny lalana rehetra eto an-tanŕna na ny any Avaratra, na ny Atsimo, na ny Andrefana ka hatrany Atsinanana.

Any anaty zotram-pifamoivoizana izay anisan’ny fositra mahatonga ity fitohanana ity noho ny gaboraraka ataon’ny mpamily isaky ny toeram-piantsonana no miseho matetika ny adihevitry ny mpandeha noho ity fitohanana ity. Anisan’ny heno tao anatin’ireny, ohatra, ny filazan’ny  mpandeha sasany fa sao dia mba tokony homena 7 miliara koa irao «police de la route» mba hanatanterahan’izy ireo tsara ny asany ? Ny hita mantsy dia toa mivangongo amin’ny toerana iray eny amin’ny fihaonan-dalana na izay toerana mety hanaovan’ny fiara fahadisoana fotsiny ireo polisy marobe eto an-drenivohitra fa tsy mba mizarazara mijery ny tena fototry ny fitohanana izay mazàna tsy fitandremana kely avy amin’ny mpamily iray monja. Mbola mamerina ny soso-kevitra efa naroso hatrizay izahay amin’ny tokony hametrahana “camera de surveillance” maromaro amin’ireny toerana tena mitohana be ireny na dia indray andro monja aza ahitana ny tena fositra amin’ity fitohanan’ny fifamoivoizana mila hampiteny ny moana eto Antananarivo ity. Tsetsatsetsa tsy aritra no hilaza fa omaly alatsinainy takariva dia nanomboka teny Analamahitsy Carrière ny fitohanana hatrany Behoririka.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT