Manararaom-pahefana ary tsy manara-dalana no azo hilazana ity mpitandro ny filaminana iray nitondra “Scooter” ka nanapaka (nanome sazy) taxibe iray naka olona teo am-pitan’ny Makiplast Andoharanofotsy afak’omaly.
Tsy nisy namana raha tsy efa elabe izy io raha nanatsivalana ny moto-ny teo anoloan’ilay Taxibe izay fihetsika tsy azo atao fa voararan’n lalàna manankery. Ankevitry ny efa niandrasany fatratra ity taxibe ity satria vantany vao nijanona teo am-pandraisana olona marobe avy amin’io toerana io (tsy fiandrasana zotra) dia notsivalanany tamin’ny moto teo anoloana ary nanoratany taratasy “contravention”. Nihetsiketsika fatratra koa tao ho ao ary hentitra dia hentitra tokoa amin’ny fanatanterahana ny asany ireo polisy monisipaly tanora nisalotra fanamiana vaovao (tee-shirt maro loko sns…) tazany eny amin’ny fiantsonan’ny zotra mpitanterana eto an-drenivohitra sy miaraka amin’ireo mpanondro lalana efa za-draharaha ihany koa. Azo antoka, hoy ny mpitazana fa ho vetivety monja toy izay fahita hatrizay izany hafanam-po izany (herinandro raha be indrindra) dia ho lefy ho azy eo. Fa izay nahavaky fo ny mpandeha maro tao anatin’ny taxibe hafa indray dia ny nanomezan’ny polisy “contravention” azy fa nitondra olona teo amin’ny tamboho aorian’ny saofera. Roa ihany ry zareo raha ny hita nandritra ny fanoratany taratasy no tratran’ity sazy ity fa ny hafa dia lasa fotsiny amin’izao. Dia mby amin’ilay fiteny hoe : “aza mba tratrany ihany”. Fanontaniana manitikitika ny mpandeha efa trotraky ny fiandrasana taxibe ela loatra ny hoe : rehefa inona no azo asiana olona ny tamboho ary rahoviana no tsy azo atao izany ?
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.