Fitateram-bahoaka

> Anjakan’ny gaboraraka tanteraka ao Antsirabe


  • Zoma 10 Janoary 2014

Raha mbola fitaterana dia anisan’ny miavaka indrindra manerana an’i Madagasikara ny zotra mampitohy an’Antsirabe Antananarivo noho ny tsy fisian’ny fanarahan-dalŕna sy ny gaboraraka mandavan-taona iainan’ny mpanjifa.

 

Lasa mampiteny ny moana, indrindra rehefa misy fety na maresaka ny ao Antsirabe satria dia tafakatra hatrany amin’ny 15.000 Ar any ho any ny sarandalana raha 8.000 Ar ny ara-dalàna. Tamin’ny faran’ny taona sy ny Krismasy teo, ohatra, dia nanodidina ny 10.000 Ar ny saran-dalana farany ambany. Ny loza dia ny mpanera no tena mamaritra ity saran-dalana ity ao Antsirabe ka izay tian’izy ireo atao no atao fa manaraka fotsiny ny mpamily izay mpikarama ny maro amin’izy ireo. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa saika olona ambony sy manampahefana ao Vakinankaratra avokoa no tompon’ireo fiara miasa ao an-toerana ireo. Voalazan’ny fanadihadiana fa 30 amin’ny fiara mpitatitra miisa 800 mampitohy an’Antananarivo-Antsirabe ihany no mba manara-dalàna satria tsy manampahefana ny tompony. Izay no voalaza fa maha gaboraraka ity fitaterana ao Antsirabe ity na dia nisy hatrany aza ny fandaminana marobe efa nataon’ny mpitondra nifandimby tao. Ankoatra izay dia voalazan’ny loharanom-baovao fa tsy mifanaraka ihany koa ireo koperativa miisa 23 misahana ny fitaterana amin’ity zotra ity amin’ny lamina apetraka fa samy manao izay saim-pantany hatrany. Raha nanontaniana ny momba izany moa ny FMMZN na ny “Fikambanan’ny Mpitatitra Matihanina Zotra Nasionaly”, mifehy ny fiantsonana ao amin’ny Piste Vatofotsy Antsirabe, izay miara-miasa akaiky amin’ny ATT dia ny tsy fisian’ny «Guichet» no nambarany fa antony tsy mampilamina ity sarandalana ao Antsirabe ity. Vahaolana natolony ny tokony hananganana io «Guichet» tokana io, mba hamehezana ny sarandalana ary hasiana mpanaramaso akaiky ny fandoavana patanty, ny solika ampiasaina satria fatiantoka ho an’ny mpanara-dalàna sy ny mpanjifa fotsiny ny zava-misy, ankoatra ny vola very ho an’ny Kaominina sy ny fanjakana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT