Fitantanana ny ala

> Mila vina sy fitarihana vaovao


  • Alarobia 27 Novambra 2013

Mikarakara atrikasa nasionaly handinihana ny fomba hitantanana ny ala mandrindra ny roa andro, anio sy rahampitso, etsy amin’ny La Résidence Ankerana ny eo anivon’ny Alliance Voahary Gasy.

Raha tsiahivina dia ny taona 2012 no efa nanatanteraka fitsirihana ny mahakasika io fitantanana ny ala io ny Alliance Voahary Gasy ka fantatra tamin’izany fa ratsy tokoa ny fitantanantsika io harena voajanahary io. Mila vina sy fitarihana vaovao sady maharitra raha teo ireo mpamatsy vola mba hanohanany ny firenentsika eo amin’io tontolon’ny fitantanana ny ala io. Olana iray sedraintsika hatramin’izao ny resaka fampiasana ny hazo ho fitehirizana ireo biby arovana sy ny sisa fotsiny fa tsy raisina ho fananana azo trandrahana ka mila fitantanana. Raha izao tranga ankehitriny izao anefa no mitohy dia ho fongotra ny alantsika atsy ho atsy. Faritra telo no efa nanaovan’ny Alliance Voahary Gasy atrikasa dia i Boeny, Matsiatra Ambony ary Atsimo Andrefana ka nahafahana nahita ny fahasamihafan’ny fitantanana io ala io manerana ny Nosy sy ireo lesoka amin’izany. Handray anjara amin’izao atrikasa etsy amin’ny La Résidence izao avokoa ireo mpitantana ny ala any amin’ny faritra any, ny mpitondra fanjakana voakasik’izany, ireo fiarahamonim-pirenena ary indrindra ny vondron’olona ifotony. Heverina fa hamoaka tsao-kevitra mafonja hoentina misedra ny fitantanana ny ala eto amintsika ireo mpizaika ireo ny alakamisy hariva izao.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT